fandraisana

Tongasoa eh

Tongasoa eto amin’ny “site”n’ i Mihary
Eto no ahafahanao manaraka ny fizotran’ny fanatrarana ilay vina lehiben’ny fampandrosoana lovainjafy amin’ny fomba miavaka… ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.

Fa iza marina i Mihary eh!

Mihary dia fikambanana tanora lahy sy vavy mivondrona hametraka endrika fampandrosoana maharitra ara-piarahamonina sy ara-toekarena.
Nisy fifaninanana famolavolana tetikasa nokarakarain’ny FHI360 izay nampivondrona azy ireo hikatroka mikasika ny famongorana ny valala any amin’ny faritra Androy ho fanombohana.
Endrika famongorana hafakely anefa no anaovana izany. Ny fanodinana ny kijeja ho sakafon’olombelona no paikady itarihana ny famongorana azy no sady iatrehana ihany koa ny tsi-fanjariantsakafo any amin’iny faritra iny. Ao anatin’izany mantsy no mampihena ny fampiasana ireo fanafody famonoana valala izay mitondra voka-dratsy ho an’ny tontolo iainana sady ampiasan’ny fitondram-panjakana tetibola goavana.
Tsy adinon’i Mihary ny mamorona asa sy mifampizara amin’ny tanora ho avin’ny firenena mitovy aminy ary ny manome lanja ny vokatra misy any amin’ny toerana iasany.

Mampiseho izany fa ny fahavononana, ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tanora ary ny firotsahana an-tsehatra dia ilaina indrindra amin’ny fitondrana fiovana ho an’ny fampandrosoana ny tanindrazana. “Tsy mifidy tany malemy anorenam-pangady” fa miatrika sy mihoatra ireo sakana rehetra miseho tsy hahatrarana ny tanjona sy ny nofinofy no safidin’i Mihary.
Izany no entiny miaina ilay teny filamatra hoe “mpamaha olana fa tsy vesatra ho an’ny fiarahamonina” mba tsy ho “tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka”
Na dia mbola tanora aza i Mihary dia efa maromaro ihany ny lalana nodiaviny, faly manasa anao hanaraka izany…

Translate »